NY FIKASAKO (RyKala Vazo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mama a!
Fetinao ny androany e
Atsaharo ny tomany ka
Etsy ho fafako izato ranomaso
Raha ny ditraditrako
Sy ny hadalako koa
No mampahory anao toy izao
Aleo fa hiezaka aho
Atomboko androany
Tsy am-bava na hanihany e
Fa tena avy tononkira.serasera.org ao am-po sy tena fikasako
Ny ho tonga olom-banona ho lavitry ny ankaso
Na dia tsy moramora fa
Mila fahazotoana
Inoako fa ho tratrako ny tanjona andrasako
Rehefa eo ianao, manohana tsy miato


Tiako ianao hifaly e
Fa fetinao ny androany e
Avelao hivalona any ny sentosento sy alahelo
Izay mampitomany
Fa fetinao ny androany e
Tiako ianao hifaly e
Tsikitsiky, kalokalo, hirahira sesilany
No andeha hasetry izany
O o o! Mamako
O o o! Tiako


Neny o!
Tsy ho an'ny anio jzbb ihany anie
Raha toa miteny izany fa
Tiako mba hitoetra
Amin'ny andro rehetrarehetra
N'aiza n'aiza bsqpw alehako
N'inoninona ataoko
Dia ho tsaroako an-dohako ao
Irony anatranatrao
Ny ahatafita ny taranany
No tena fahasambarany
Hitafy fahendrena sy fandavan-tena
Ho tonga olom-banona, haren'ny firenena
Na dia tsy moramora fa
Mila fahazotoana
Inoako fa ho tratrako ny tanjona fjkq andrasako
Rehefa eo ianao
Manohana tsy miato

Tonony sy feony : vanintsoa

--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 26/05/2022 09:27)
Aza atao MAJUSCULE TAHAKA IZAO rehefa mampiditra tononkira fa ataovy tsotra.
Misaotra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RyKala Vazo
Vangy : 1179
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : baloba84
Daty : 26/05/2022 09:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0504