666 (RISIKA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ENINA AMBIN’’NY ENIM-POLO SY ENIN-JATO
( 666 )

Misy resaka malaza ao an-tanàna
Mahoraka tato ho ato
Dia ilay tarehimarik’i satana
Ny enina ambin’ny enim-polo sy ny enin-jato

Misy resaka malaza ao an-tanàna
Ekena mihintsy zava-misy
Dia ilay tarehimarik’i satana
Ny six cent soixente six

Raha vao nahare an’izany
Dia midobodoboka ny Fo
Toa mitory ny fara andro izany
Ka mampihorohoro tokoa

Marobe ireo milaza hoe :
Ny Baiboly kosa dia mitory hoe:
Hisàna aram-pahendrena io

“ ho tia vola – ho tiatena –
  mpianavona sy mpandika tena
  tsy manaja izay masina
  tsy manam-pitiavana
  Ny ENINA voalohany ”

“ tsy manoa Ray sy Reny - mpanontolo  fo
   mpanendrikendrika tsy mahonom-po
   loza be tsy tia ny tsara
   Ny ENINA faharoa ”

“ Mpiteny ratsy – kirina – tsy misaotra
   mpamadika – mpieboebo
   tia fahafinaretana mihoatra an’Andriamanitra
   Ny ENINA fahatelo
   Tena mampalahelo ”

Misy resaka………………

RISIKA
“ les chanteurs de l’ Apocalypse ”
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : RISIKA
Visites : 2444
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : RAFAH
Date : 29/06/2003 17:54
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0779