JIOLAHY VOABABO (RISIKA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
JIOLAHY VOABABO

« Mifalia ry Zatovo dieny mbola tanora hianao, ary aoka ny Fonao hampifaly anao amin ‘ny andron’ny fahatanoranao koa mandehana any amin’izay jeren’ny masonao sy izay irin’ny fonao kanefa ! ! aoka ho fantatrao fa ho entin’Andriamanitra hotsaraina hianao amin’izany rehetra izany »


Sendra avy nilalao aho tamin’izay.
Ka handeha hody ho any an-tranonay.
Dia nifanena tamina Pasitera iray.
Nanambara tamiko ny Fiainana mandrakizay.

Nambarany tamiko avokoa.
Ny sitra-pon’ilay Ray tsitoha.
Ny andro farany izay tsy manam-paharoa.
Sy ny afobe izay mampijaly.

Ka dia :

Nitanodrika aho raha nahare .
Ireo fahotako izay tena marobe.
Nampihoroho ahy ny nahalala.
Fa hay izaho ity dia mbola hotsaraina.

Vahaolana hoy izay tamin’izany .
Miaiky fa mpanota ka mibebaka hatrany .
Aza dia variana na mandany andro.
Fa antomotra anie ilay fara andro

Resy lahatra aho nanoloana
Ny tenin’ilay Mpanjakan’ny mpanjaka
Tsy nisalasala intsony fa avy hatrany dia nifindra
Niova ny fiteny fitafy sy famindra

Nanomboka teo dia niova tokoa
Fihetsika fiteny sy fitem-pon’ny fo
Tsapako tokoa fa hay tena hasambaram-be
Ny miaraka amin’ny tompo na Yaveh

Tsy hohaiko ho tazonina ho ahy samirery
Ilay teny soa izay tena manan-kery
Fa hozaraiko aminao izay manatrika ahy io
Miaike ny fahotanao mibebaha dia hadio

Fa atomotra ny fotoana
Izay misy ho faty nefa tsy hisaona
Eny amin’izao raha azonao hatao
Dia mivavaha sy mibebaha hianao

RISIKA
« les chanteur de l’apocalypse »
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RISIKA
Vangy : 2120
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RAFAH
Daty : 18/06/2003 19:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1013