Vala Famaritana (Riaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tiako ho fantarinao aho,
Tiako ho nofisinao
Tiako ho malalanao,
Mba ho antsoina hoe Tiana
Saingy lavitra loatra na saranga na vina,
Tsy mba tazanao ihoatra ireo tianao fidiana

Isan'andro izao miandriandry
Tsy voamarikao,
'Lay fiambakavakako
'Refa anoloanao
Tsy miafina amin'olon-kafa intsony,
'Lay foko tia mangina tsy tony
Ny masonao tsy mijery ahy akory
Ka fahoriana ho ahy,
Mangina aho tsy sahy

Tiako ho fantarinao aho,
Tiako ho nofisinao
Tiako ho malalanao,
Mba ho antsoina hoe Tiana
Saingy lavitra loatra na saranga na vina,
Tsy mba tazanao ihoatra ireo tianao fidiana
'Zaho tsotsotra ihany,
Tsy takatro izany

'Rehefa alina aho 'ndraindray,
Te hitroatra mafy
Hoe te hihoatra ilay, fefy lasa sazy
Nefa anie fitia tsy sahaza
No mihazona ahy toa tady mazàka
Ny fonao nefa tsy hanitsaka
Ivelan'ny Vala Famaritanao
Oh oh oh oh oh x4

Tiako fantarinao aho
Tiako ho nofisinao
Te ho malalanao mba, ho antsoina hoe Tiana
Saingy lavitra loatra na saranga na vina
Tsy mba tazanao ihoatra ireo tianao fidiana
'Zah tsotsotra ihany,
Tsy takatro izany

Tiako fantarinao aho
Tiako ho nofisinao
Te ho malalanao mba ho antsoina hoe Tiana
Saingy lavitra loatra na saranga na vina
Tsy mba tazanao ihoatra ireo tianao fidiana
'Zaho tsotsotra ihany,
Tsy takatro izany
'Zah tsotsotra ihany
Tsy takatro iiizaaany.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Riaka
Visites : 329
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : Ruvani
Date : 16/07/2025 17:31
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0107