Soraty hoe zah Mbola tia (Riaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola eny aminy eny ve, ilay rojo misy ny anarako iny?
Mbola fihinininy ihany ve rehefa izy mitady nofy iny?
Mbola henoiny ihany ve ilay fony mitempo ilay fahiny?
Mbola tsy novainy ve ilay sariko eo an-doha-fandriana?

Réf: Raha mbola misy mahatezitra anazy
Lazao ahy tsy averiko intsony mandramaty
Izay rehetra tsy nampitony azy
Ifonako na dia hoe tsy nataoko aza
Oooh lazao azy anie, lazao azy fa mbola tia aho
Oooh oooh oooh lazao azy anie, lazao azy fa mbola tia aho

Mbola lazainy ihany ve ilay tia ambetitieniny iny?
Mbola hitanao any ve ilay dia dia-tongotro iny?
Tsy fantany fa tsy ho eto amin’ity fiainana ity
No mety ahavitako hanadino ilay fitia

Réf: Ka raha misy mahatezitra anazy
Lazao azy tsy averiko intsony mandramaty
Izay rehetra tsy nampitony azy
Ifonako na dia hoe tsy nataoko aza
Oooh lazao azy anie, lazao azy fa mbola tia aho
Oooh oooh oooh lazao azy anie, lazao azy fa mbola tia aho

Ny fasako anie soraty hoe izaho mbola tia azy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Riaka
Vangy : 41
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Djiah
Daty : 12/04/2025 08:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3753