Madiditra (Riaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao ilay madiditra iny,
Nambabo anay rehetra tamin'izany
Tsisy afa-tsy ianao no ambetin-dresakay,
Ianao nefa,
Tsy mba nahita ahy
Niarahaba ianao dia lasa,
Ilay tsiky mila ahafaty ahy,
Fahiny izany efa lasàna
Fa mbola mitoetra foana ao an-tsaiko

Androany niantso ianao ( milaza ho mahatsiaro ahy )
Kopahinao 'ndray ( 'lay afo mahamay )
Ka te hirongatra miaromotra
Miahazo faka te handrobona
'Ndray 'lay fitiavana

Raha mbola toa 'lay taloha ihany,
Ilay 'zaho tsy mba nisy taminao,
Avelao aho, mivalo aminao
Aok'izao, aza adalainao
Oh oh oh oh oh

Androany niantso ianao nilaza ho mahatsiaro ahy
Kopahinao 'ndray 'lay afo mahamay,
Ka te hirongatra, miaromotra
Miahazo faka te androbona
Tamin'izany nefa mba
Naniry mafy ny anoroka anao,
Nofinofy tsy miala
Ny hiteny aminao hoe : "Tia Aho"

Raha mbola ianao madiditra iny,
Hainao aho fa tsy afaka handà

Dia niantso ahy ianao nilaza ho mahatsiaro ahy
Kopahinao 'ndray 'lay afo mahamay
Ka te hirongatra, miaromotra
Miahazo faka te androbonaaa
(Dia niantso ahy ianao f'efa tsisy fanindroa)
Tsy mety ny fo
(Tsy mety ny saiko nefa mazoto ny fo)
Tsy hay fehezina, toa marenina
Mba te ahalala ilay anilanao
Ny anilanao.

A/C: Lita Mage4
Thanks to Ruvani
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Riaka
Visites : 229
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Ruvani
Date : 20/07/2025 11:56
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0969