Rainay Masina Tsara indrindra (Père Jaonah s.j)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Rainay masina tsara indrindra o, indreto ny zanakao.
Tafahaona eto ny tia sy ny manina, eto an-toerana masina.
Ka indro 'zahay manolo-tena, ka raiso Tompo ô.
Ny fiainanay rehetra re, no atolotra Anao.
Indreto ny zanakao, miroso am-pitiavana e.
Indreto ny zanakao, mitondra fanatitra.

Elaela tsy nihaona ka tafahaona ao, ka velom-bolo ny ambanilanitra e.
Mahatsiaro ireo fahasoavana e, ka hamaly fitia Anao ô.
Nefa fanatitra kely ihany, fa fonay manolotra no jereo e.
Mba raiso hamasino raha sitrakao fa tolotra avy amin'ny vahoakanao ô.

2. Rainay masina tsara indrindra ô, indreto ny olona.
Miroso manantona ny otely, mitondra fanatitra.
Ka indro ny mofo sy divay sy ny vokatry ny tany.
Atolotray am-pifaliana, omena am-pitiavana.

3. Rainay masina tsara indrindra ô, indreto ny fiangonanao.
Tsy misara-mianakavy miaraka amin'i Jesoa.
Ka indro ireo asam-pamonjena kely mba vitanay.
Atolotray mba ho hamasininao, tsofy rano Tompo ô.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Père Jaonah s.j
Visites : 151
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Emanasoa
Date : 15/05/2024 21:28
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4625