Noely ny fiainana (Ny Ainga)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy antso miantefa ao an-tratraBitsibitsika mora ao am-po
Jesoa Tompo ilay tsy mahafoy anao
no miantso hamafy ny soa
Koa mitsangana herezo ny saina
Torio ilay fitia
Ataovy tonga nofo i Jesoa Tomponao
Ho an’ireo namanao.
Fiv.: Satria Noely ny fiainanao
Noely ny fiainanao
Rehefa aminao i Jesoa
Noely ny fiainanao
Noely ny fiainanao
Rehefa asehonao ilay fitia
Dia mitsiky ianao, mitsiky ianao
Raha misy manjo
Tsy mba sasatra mamafy ny soa
Satria noely ny fiainanao
Noely ny fiainanao
Fa tonga nofo i Jesoa.
Mideza ny lalan-kombana
Ary hanenjika ny olon-tsy tia
F’ianao tsy resy resena
Fa satria miahy ilay Tompo tia anao
Ny fijaliana hisedra ny sainao
Fa dia matokia
Ho gaga sy ho talanjona izay mahita anao
Tsy mba sasa-mitia.
PATTY (Ny Ainga)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Ny AingaVisites : 14527
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : RAFILOZOFY
Date : 20/12/2004 05:51