Tanindrazako (Mihir'All for Jesus)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tanindrazako ô! Mba rahoviana ihany
Izay vao afaka eo ambozonanao izany fahantrana izany
Tanindrazako ô!Inona no antony
Tafalatsaka anaty aizina anie ianao

Tsy tonga saina ve ianao
Amin'ny loza mahazo anao
Isan-taona, efa isanandro vaky izao
Fihemorana hatrany hatrany,
Mikorotana ambony ambany
Io fahotanao io no anton'izany

     Réf:Andeha re hibebaka e! dieny mbola tsy tara
           Fa isika rehetra anie,miandrandra fiovana
           Ho fanjakam-pisorona marina anie tokoa ianao
           Rehefa vonona handray an'i Jeso hanjaka an-taninao

Tanindrazako ô!Voageja anie ianao
Ny fitiavan-tena tsindry hazo lena  mbola manjaka ao
Firenena malalako ô!Hialao re ny ratsy
Mba ho Nosin'ny fahasambarana ianao atsy ho atsy

Dia ho taratra ho an'ny hafa
Na amin'ny vokatra na amin'ny asa
Ho foana hatreo ireo mpangalatra sy ny tsy an'asa
Hifanampy ny fiaraha-monina
Ho firenena maha te honina
Ny fahantrana hisolo fiadanana!

Gasikara an! Ho firenena voafidy anie ianao
Hanjakan'Andriamanitra e!
Hampisambotra fa tsy hisambotra
Iaaaaaaaaaaaaaaaa!

Amen e! amen! amen!
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Mihir'All for Jesus
Visites : 578
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : fitiavana raza
Date : 14/06/2021 10:34
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
plus...
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0775