You are here: home > Tononkira > Mihir'All for Jesus

Vitanao io (Mihir'All for Jesus)

Tsy nisy teraka tonga dia nahay nandeha,
Na hoe nahay tsy nila nampianarina e,
Tsy maintsy kely aloha vao tonga lehibe,
izay kely an-tanana no ampiakarina e

Ny fotoana anie ka sarobidy e,
lafo loatra ka tsy voavidy e,
Mitsangàna dia atomboy amin'izay
Hanampy anao anie ilay RAY

Ref:
Vitanao io Rahalahy!
Vitan'ny hafa ve tsy ho vita e?
Araho finoana vavaka
Ny zanany anie tsy maintsy tafita e!

Ny lalàn'ny marina toy ny fipoakan'ny andro maraina
Manaova ny marina dia mazotoa Tsiky dia ampyfa aza malaina
Ianao anie ka tempolin'Andriamanitra e!
Mivavaha ka aza mitsahatra e!

Ref:
Vitanao io Rahalahy!
Vitan'ny hafa ve tsy ho vita e?
Araho finoana vavaka
Ny zanany anie tsy maintsy tafita e!

Bridge:
Ho tahiana ianao raha liditra
Ho tahiana ianao raha mivoaka
Malala eo imasony, maminy loatra
Mitsangàna ary dia atomboy amin'izay
Hanampy anao anie ilay Ray!

Ref:
Vitanao io Rahalahy!
Vitan'ny hafa ve tsy ho vita e?
Araho finoana vavaka
Ny zanany anie tsy maintsy tafita e!

A/C:Samuel Randryah

Mpihira : Mihir'All for Jesus
Mpamaky : 221
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : nanteaina
Tamin'ny : 22/04/2021 20:44:34
ID : 13446

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo