Taiza ianao (Mahefa Nirina Rabemananjara)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny olon-drehetra efa tonga
Ianao tsy hita
Fa taiza foana ianao?
Fa taiza foana hatrizay ?
Fa taiza ianao no izao vao tonga aty?
Efa tara loatra
Ah ah ah

Inona no nataonao ?
Inona no vitanao?
Taiza no nampiasanao izay nomena ho anao ?

Fa taiza foana ianao?
Taiza no tsy mba nandalo ?
Taiza no izao vao mahatsiaro ?
Taiza foana? Taiza foana?
Inona no nahavariana ?
Inona no nahasondriana ?
Taiza no tratr'aoriana?
Taiza foana?
Fa taiza foana hatrizay ?
Fa ny olona efa tonga
Ianao vao hiomana ny handeha
Satria mbola resin-tory
Ka efa nikatona
Efa nihidy ny vavahady
Izay ianao vao mba tonga
Nefa tsisy namaly
Diso aoriana re e e e

Misy, Mbola misy ireo izay variana
Amin'ny hadalana sy ny rendrarendran'izao tontolo izao
Tsy mba mihevitra ny hiova famindra
Tena mbola variana
Sao mbola isan'ireny ianao
Dieny izao dia ovao ny fanao
Fa ho tampoka ny fiaviany
Mibebaha f'aza variana
Sao tratr'aoriana
Ka tsy ho isan'ny ho ao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Mahefa Nirina Rabemananjara
Visites : 28
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Ainatoutcourt
Date : 14/03/2025 12:41
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5243