Hidera Anao (Mahefa Nirina Rabemananjara)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nahoana moa Ry Tompo noTsy hiderako Anao?
Nahoana moa no tsy hanompoako
Sy hankalaza Anao?
Tsy haiko tantaraina
Satria tsy tambo isaina
Ny hamaroan'ny soa sy fitahiana avy Aminao
Raha vao mifoha maraina aho
Dia efa eo Ianao
Miandry ahy hametraka
Ny fiainako Aminao
Izaho indray aza
No tsy mahatsiaro izany
Kanefa Ianao dia tsy manary ahy
Mahatsiaro fifaliana aho
Manao ny asanao
Manjary feno haravoana
Ny ao anatiko ao
Ka feno fahasahiana
Maharesy ny hakiviana
Ny fanompoana Anao Jesoa
Manova ny ao am-po
Ny fahasoavanao Jesoa
No mahatonga izany
Ny fitahiana avy Aminao no
Maha toy izao ahy
Ka ahoana moa Ry Ray
No tsy hiderako Anao
Hanandratra avo ny Anaranao
Satriko foana foana e
Ny hidera Anao
Tena ankafiziko ny mihira ho Anao
Tsy hisalasala aho hanao ny asanao
Fa tena hery ho ahy ny mankatoa
Manao ny sitrakao
Tsy sitrako Ry Tompo Jesoa
Ny hampahory Anao
Tsy tantiko raha avy amiko
No mampalahelo Anao
Kanefa Tompo o
Ny fahalemeko ihany
No mahatonga izany
Ka ifonako Aminao
Niharitra ny mafy Ianao
Noho ny fitiavanao ahy
Anjarako indray izao
Ny mamaly fitia Anao
Ny Teninao Ry Tompo
Fanilon'ny fiainako
Hiezaka aho hanao ny sitrakao
Mahatsiaro fifaliana aho
Manao ny asanao
Manjary feno haravoana
Ny ao anatiko aho
Ka ahoana moa Ry Ray
No tsy hiderako Anao
Hanandratra avo ny Anaranao x2
Satriko foana foana e...
Tonony sy feony : Rabemananjara Mahefa Nirina
Nihira azy : Ziona Miantsa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Mahefa Nirina RabemananjaraVangy : 41
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ainatoutcourt
Daty : 27/03/2025 22:05