Marotia (Ma Trehina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toa varimbariana eny ianao ry havako iny e!
E!! Rahoviana indray vao hiaona indray isika roa
Toa tsaroako foana ilay indray hariva iny e!
Nizarazara fitia teny a Maro Tia

Manina andry aho ry tiko dia mihira
Mba rahoviana indray vao hiaona indray isika roa
Ndry koa ve mba mahatsiaro ilay hariva iny e!
Toa te hitomany aho manembonembona andry

Toa manisa ora rehefa hody
Fa samy tsy mahafoy ny hifandao
Dia miara-miteny moramora oe tiako ianao
Tsy ho hay hadinoina ilay ora niarahantsika roa tamin’izay
Toa samy manontany tena hoe rahoviana indray

Toa nofy iany angamba raha izaho
No oe ahafohy híala aminao
Fa Mbolamanantena andry foana anie hatramizao
Tsy ho hay hadinoina ilay ora niarahantsika roa tamin’izay
Toa samy manontany tena hoe rahoviana indray

Toa manisa ora rehefa hody
Fa samy tsy mahafoy ny hifandao
Dia miara-miteny moramora oe tiako ianao
Toa nofy iany angamba raha izaho
No oe ahafohy híala aminao
Fa Mbolamanantena andry foana anie hatramizao
--------
Lien:
Commentaires
hery ( 22/10/2021 00:01)
Tiako kosa e
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ma Trehina
Visites : 637
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Fenosou joel
Date : 21/10/2021 22:53
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0313