Fihavanana (Ma Trehina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
FIHAVANANA
Tsy ary hiara-monina isika kanefa
Ny fihavanana no tena tsinjovina
Ny fitiavantena mamafa
Ny fihavanana tsy hiorimpaka
Raha misy maha-ory dia ny fisaraham-bazana

Tsy misy maharatsy ny efa tafita a!
Fa kosa aza modin-tsy hita
Ny fianankaviana le Zama
Na halavitra akaiky ny havana tsimba hialana

K’aza avela ho zarazarain’ny harena
Ny fihavanana tsy hitiavam-bola hoy ny hafatr’i Ma Trehina o! o!
Ny fifanajana no mampaharitra
Ny fihavanana tsy ho rava a!
Koa raha manampotoana mamangy,
Fa tsy afaka tsy ho mpianankavy
Ny disadisa avelao ho any i!!!
F’izay toho fo mpamosavy

Tsisy mahavita tena isika leretsy
Fa Mbola hafa iany ny miaraka amin’ny rehetra
Koa na misy mahory na tsisy
Dia aza miamboho hadidy
Fa na rahoviana dia tsimaintsy hody antanana

Dia aza manao hoe tsy ilaiko
Ny fihavanana tsy maha vonjy ahy
Ny fianankaviana ry tary i!!
Na halavitra akaiky ny havana tsimba fanary

K’aza avela ho zarazarain’ny harena
Ny fihavanana tsy hitiavam-bola hoy ny hafatr’i Ma Trehina o! o!
Ny fifanajana no mampaharitra
Ny fihavanana tsy ho rava a!
Koa raha manampotoana mamangy,
Fa tsy afaka tsy ho mpianankavy
Ny disadisa avelao ho any i!!!
F’izay toho fo mpamosavy

A.c:Ma trehina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ma Trehina
Vangy : 525
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fenosou joel
Daty : 28/10/2021 18:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728