Ampidiro aloha ny tenimiafina
Indray andro any (Lalao)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indray andro any, iriko indrindra Jeso !Ho isan’ireo raisinao
Ary amin’izany hitsangana avy amin’ny vovoka
Ny anjely no hampiarina ahy !
Ary handray ny tanako… !
Ny masoko ahita anao Jeso !
Hipetraka eo amin’ny rahona
Hamirapiratra fatratra hotronin’ny anjely
Sy feon-tropetra no injay
Manaitra ireo izay mino anao
Tsy andriko izay hiaraka aminao Jeso !
Hitety an’io lanitra io
Ireo kintana ho lalovako feno zava-baovao
Ho tsenain’ireo mponina ao
Ka hiditra ao Jerosalema vaovao
Hitety ny ranomasina fitaratra manganohano !
MIANDRY ANAO AHO JESO
--------
Lien:
Commentaires
misty642
(
13/05/2016 09:34)
Tena tsara io hira io!
Blaise Mickael
(
02/08/2022 07:25)
Tena tsara be ilay hira sy ny tonony.
Mampite hitomany ahy foana isaky ny mihaino azy
Mampite hitomany ahy foana isaky ny mihaino azy
