Tompo ô (Lalao)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo ô! mba henoinao ity mpanomponao
Fa mitalaho, koa avelao ireo ota natao
Tsy mendrika hanonona ny Anaranao aho
Fa fo maloto ny ao anatiko ao
Ireo ota nandrarànao niniako natao
Toa tsy sahy aho hilaza Aminao
Fantatro ihany anefa fa be fitiavana Ianao
Mamela ireo zay mifona Aminao
Misaotra Anao aho fa fantatro, fa tia ahy Ianao
Koa voavela ireo ota natao
Nandany andro tamin'ny rendrarendra aho
Ka nanadino ny anatra natao
Nanitsakitsaka ireo fanekena
Sy nandika ireo didinao
Tsapako ankehitriny
Fa raha lavitra Anao
Dia tsy haiko ny hanao ny sitraponao
Ireo hadisoako rehetra
Jesosy ô, raha sitrakao
Koa avelao ireo ota natao

Jeso ô! ny fivavako henoinao
Fa mitalaho, fa maniry aho hanaraka Anao
Fa tiako ny hanana fiainana vaovao
Dia fiainana miaraka Aminao
Ho sambatra finaritra eo anilanao
Mino aho fa mihaino ahy Ianao
Ireo fikasako rehetra apetrako eo Aminao
Tsy misy fanahiana ao anatiko ao
Tazony mafy ny tanako Tompo mba tsy handao
Fa maniry aho hanaraka Anao
Mangataka ny herin'ny Fanahinao aho
Ho sahy hijoro ho vavolombelonao
Hisedra koa ny herin'ny fakam-panahy
Eo Aminao tsy manana ahiahy
Na inon'inona hihatra eo amin'ny fiainako
Tsy asiako tahotra ny alehako
Raiso aho Jeso tia, fihino eo an-tratranao
Fa maniry aho hanaraka anao
Maniry aho hanaraka anao
Fa maniry aho hanaraka anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lalao
Vangy : 1413
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Solofomandimby
Daty : 19/04/2021 17:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721