Ry Tompo o, Mpamonjiko malala (KTLM Amboniavaratra Betafo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry Tompo o, Mpamonjiko malala
Endrey ny fitiavanao
Iriko mafy koa ny hahalala
Hanompo sy hiasa ho anao
Moa inona no zavatra nataoko
Hamonjy ireo mpanota namako
Angamba mbola hisy ny fotoana
Mba hanompoako anao Jeso

Ny andro sy fotoana efa lasa
Dia be no very foana e
Fa vitsy no mba azoko nomena
Sy lany nanompoako anao Jeso
Moa inona no zavatra nataoko...

Ny tenako rehetra fo fanahy
Ry Tompo o omeko anao
Hijoro ary koa ho tena sahy
Sy hanambara ny fitiavanao
Moa inona no zavatra nataoko...
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : KTLM Amboniavaratra Betafo
Visites : 695
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : jantina
Date : 23/02/2022 19:33
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718