MAMBABO FO (KEN)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Voninkazo iray
No hitako namoha,
Fa ny sisa
Nitanondrika avokoa.

Toa te hilaza zavatra aho,
Toy ny te hampita hafatra,
Ny orana ho ataonao kilalao,
Ny rivotra no sisa namanao.

Toa hafa kely ilay nipoiranao,
Manintona fanahy,
Mahasarika ahy.
Toa hafa kely ilay fiavianao,
Feno hatsarana,
Toa mahatamàna
Mambabo fo.

Mialok'ao anaty fahanginana,
Miaina tsotra fa tsy misahirana,
Lavitr'ireo tebiteby,
Manambitamby,
Mahay mamalifaly.

Ny orana ho ataonao kilalao,
Ny rivotra no sisa namanao.

Toa hafa kely ilay nipoiranao,
Manintona fanahy,
Mahasarika ahy.
Toa hafa kely ilay fiavianao,
Feno hatsarana,
Toa mahatamàna
Ilay fitia vaovao.

Lavitra akaiky ny lalanao o o!
('lay fitia vaovao)
('lay fitia vaovao)
Mifono misitery ny momba anao.
('lay fitia vaovao)

Toa hafa kely ilay nipoiranao,
Manintona fanahy,
Mahasarika ahy.
Toa hafa kely ilay nipoiranao,
Feno hatsarana.

Toa hafa kely ilay fiavianao,
Feno hatsarana, (feno hatsarana)
Mambabo fo. ye ye ye

Mambabo fo!
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : KEN
Visites : 392
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : litarazavar
Date : 05/06/2024 11:10
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0741