Kôfy akama (K'ANIB)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Refrain :
Bampampaiannn ! K'anib mila midrafitra
Bampampaiaann ! K'anib mila mifety
Bampampaiannn ! K'anib mila midrafitra, yah !

Izaho efa tamin'ny maraina, nifoha dia efa "zain"
Koboko tampoka ny hoaviko, K'anib ilay tena milay
Miaritra sy mitaraina, kanefa nompaina
Natao tamin'ny fo, natao tamin'ny loha
K'anib ilay tompon'ny "scène"

Efa tazako ô, ny hoavin'ny tanàna
K'anib sy ny kôfy boay akama
N'aiza n'aiza aleha, tanjona efa tratra
K'anib efa tafa

Fa tazako sahady fa tsy ho simba ny fanantenako
Hitohy mandrakariva rehetra ary izay rehetra ilaiko
Fa efa hitako manoloana ny tenako izao ilay izy
Fa efa hitako, tsy ho voabaka na iza na iza
Mazava sahady ny fahiratan'ny fahazotoako
Izay rehetra manatrika anahy dia tsy maintsy hokolokoloiko
Hotohizako hatrany, hatrany, ny dingana izay mba ho tratrariko
Hanampiako ireo namako rahatrizay izay rehetra eto an-taniko mamiko

Oh ioh (oh ioh) : kôfy akama mahiratra
Oh ioh (oh ioh) : hazavana mamirapiratra

Refrain :
Efa tazako ô, ny hoavin'ny tanàna
K'anib sy ny kôfy boay akama
N'aiza n'aiza aleha, tanjona efa tratra
K'anib efa tafa

Ohatran'izay, ohatran'izay, ohatran'izay ny anay
Ohatran'izay ny anay, fampanantenana milay
Oh ioh, efa tafita ilay hafatra
Oh ioh, tsy ho reraka, tsy ho sasatra (x 2)

Efa tazako ô, ny hoavin'ny tanàna
K'anib sy ny kôfy boay akama
N'aiza n'aiza aleha, tanjona efa tratra
K'anib efa tafa (x 2)

Banjino ny hoavinao, ataovy milay
Fa ny anay efa ohatran'izay
Raha misy mankararirary fo
Avelao hijanona any aloha
Oh ioh oh, oh ioh !

Bampampaiannn (k'anib mila midrafitra)
Bampampaiannn (k'anib mila mifety)
Bampampaiannn (k'anib mila midrafitra iah)
Ohatran'izay, ohatran'izay, ohatran'izay ny anay
Ohatran'izay ny anay fampanantenana milay

Oh ioh, kôfy akama mahiratra
Oh ioh, hazavana mamirapiratra

K'ANIB (2004)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : K'ANIB
Visites : 125
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : hagamamytahiana2023
Date : 17/03/2026 13:03
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0271