Gadra (iniah)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Faly be aho fa mbola nisy nahitaNa dia solafaka aza amin’ny lalina
Tsy hitako intsony izay havaly amin’izany
Fa tena fahasoavana be
Tena vita ny amiko tsy ho avotr’intsony
Ataovy izay mahasoa ny fiainanao
Tsy afak’intsony fa tonga dia vita
Mandrakizay aho no hiaina am-pigadrana eh!
ref: Gadra aho tena gadra aho
Miala ny aiko vao afaka any aho
Very aho tena very aho
Tena latsaka any an-kady nefa tokony hiarina
Gadra aho tena gadra aho
Miala ny aiko vao afaka any aho
Very aho tena very aho
Ny teny any ambony sisa no hiankinana
Tsy nampoziko mihintsy no nidirako tany
Fa endrikendrika tsy misy ohatr’izany
Rehefa tena ambany ianao tsy misy dikany
Fa voahitsaka amin’ny tampony ambony
ref: Gadra aho tena gadra aho
Miala ny aiko vao afaka any aho
Very aho tena very aho
Tena latsaka any an-kady nefa tokony hiarina
Gadra aho tena gadra aho
Miala ny aiko vao afaka any aho
Very aho tena very aho
Ny teny any ambony sisa no hiankinana
Dia hionona aho fa tsy anjarako
Ny hanohy ireny nofintsika roa
Niezaka aho ny hanadino fa tsy hahatsiaro ireny
Nefa mino aho fa mbola hitraka ianao
Nanohy ny fiainana katsahinao
Fa ny lalana niraisantsika dia ho tapitra hatreo
ref: Gadra aho tena gadra aho
Miala ny aiko vao afaka any aho
Very aho tena very aho
Tena latsaka any an-kady nefa tokony hiarina
Gadra aho tena gadra aho
Miala ny aiko vao afaka any aho
Very aho tena very aho
Ny teny any ambony sisa no hiankinana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : iniahVangy : 16149
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : radevoly
Daty : 01/09/2005 02:19
