Feom-baliha (Henri Liban)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Feom-baliha malemy
Ritsodritsoka iva
Tononkalo ombieny
Tafasirin’ny madiva

Antema soa tsara voatra
Mampitroatra ny tsiahy
Toa valiha torotoro
Mampanembona fanahy

Manonjanjona toa salopy
Rian-drano sy ireo akony
Miraika sy mitopatopa
Mampifoha ny alahelony

Vetsovetso manirery
Embonembona mazana
Tolokoloko toa very
Eny an-dalana ombana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Henri Liban
Vangy : 1358
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 28/04/2019 00:09
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011