TIA AHY SADY TIAKO (Henika Andriamiarimanana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa nilaza taminao aho ve Jesosy hoe tena tiako Ianao
Malalako, sakaizako, tiako tsotra izao
Fantatro fa Ianao mahalala ny ato am-poko
Fa na izany aza averiko ihany
Tiako Ianao, tiako Ianao

Impiry moa aho no nampalahelo Anao, fa Ianao mandefitra hatrany
Tsy mahafoy ahy, manambitamby, eo foana mikarakara
Nahoana moa no tsy hitiavako Anao, noho ireo soa rehetra nataonao ahy
Ooo ooo

Babonao tanteraka ny amiko rehetra, ny foko mihira hoe tiako Ianao
Niantefa taminao Jesoa ny safidiko
Tsy very maina ny sorona nataonao, tao Kalvary,
Fa nahazo sakaiza, matoky, matoky Ianao !!

Sady tia Anao, tia Anao, tena tia Anao !
Jesosy o, tena tiako, tena tiako Ianao, tiako Ianao !

Indraindray aho tia hitomany
Raha mandinika ireo, dingana nolalovako
Ay nisy antony avokoa, na ireo mafy na ireo soa
Fa nahatoy izao ahy


Fantatro fa Ianao mahalala ny ato am-poko
Fa na izany aza averiko ihany
Tiako Ianao, tiako Ianao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Henika Andriamiarimanana
Visites : 1954
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Coraline25
Date : 19/02/2019 06:30
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0804