Sombiniaina (Dekapy's Band)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izany hafaliako raha vao nahita anao
Tonga teto an-tany nanomboka nitomany
Dobodoboka ny fo, toa faly aoka izany
Toa tsapako avy hatrany ,fa misy fitia teny mamy

Fa zavatra tsy mba adinoko, vao nianatra niteny
Niantso dada sy i neny
Badabada eran'ny trano

Tsy andriko intsony ny ora firavana
Hahitana anao indray sombin'ny aina
Vao eo am-baravarana, folofolo aloha ny maso
Toa mitady zavatra, tsy te hahalala andraso

Fa zavatra tena tiako, zany atao hoe zanaka
Tena silaky ny ainao
Ary tsy mba haiko adinoina,
Na dia lavitra aza izaho, tsy mba afaka ao an-tsaina

Bridge:
Rehefa izaho mibedy re, nenina ny avy eo, tsy nampahazo aina
Tambatambazako avy eo, ka tsy hiala eo aho,
Raha tsy efa adino ilay teo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Dekapy's Band
Vangy : 982
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 29/07/2019 09:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0618