Tsy Ho Bado (Cypher)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
2024 Cyphaka, Kolontsaina Mainty
Illicit soul à la prod
Ho an'ny fahalalahana
Ho an'ny fanabeazana
Dia mbola ireo ilay izy ireo

EKLYPS :
Izahay mitondra anjara-biriky na tsy nandatsa-bato
Nisafidy andalo Ankatso raha poinsa mianara ihany fa ny nenina mandatsa manko
Miasa mafy isanandro vola no atao hazalambo
Fanja miambo nefa ny firenentsika efa lasa rambony
Asa marina rahoviana izay vao fahasambarana
Fa mbola tsy laharam-pahamehana aty ilay fampianarana
Fampanantenana fa tsy ampy fampiharana
Izay no fahazarana, miemotra laharana hatramin'ny mpitarika hafarana
Saran-dalana andehanana ho any andafy no endrasana
Mitady fivoahana an'i Dago dia miaps, gasy miangavy dia basy no ambanany
Tsy ampy tambazana vary vasoka angamba izay miandry fivoarana
Vahoaka bado moa dia mora ampiesonina
Bad mood ireo fa vao misy resabola dia vonona
Mahaleo tena ve sa mbola andevozona
Tonga dia tsorina fa ny eo ihany no eo aloha raha mbola andeha jojona

KIPIKILAHY BANDAEM :
Saigna tsy mila bado
Maso tsy tampenagna amin'ny bandeau
Mila kinga saina mafy kara an'i Rambo
Generation of king fa tsy generation an'olo bado
Tanjogna alôha mitagna flambeau
Fotsy mena maitso aketo ny drapeau
Head shoot ho an'izay mpamadika palitao
Aleo toe-tsaina ovoagna amin'ilay kalitao
Misy Gasikara tsy tafy traine amin'ny balcon

TOVOLAH :
Olombelona mandroso mikipy, ny avo mandahatra ny ho aviny
Io izay fiantsonao azy Zanahary Allah Yaveh
Hay ve ka tsy nisy ny ho doria, Kasdedi
Ho an-dry rangah mikaya boana lahy eh ! Ninih Doniah
Tsy mpomba an'iza an'iza ni-ni, ireto ilay zaza nania
Zoomer-ny zandarimaria, marihana
Mieraha amin'ny mpokona atokisana
Ny olona hanampy hanakatra ny kintana
Ny hoanina tsisy, ny harena mila vintana
Ny safidy omena trondro sa fintana
Raha fintinina ny taona lasa, ny aina no matezà
Dia ampianaro ny zaza
Ianao vaovao amin'ny game ataony tsy afabela
Izahay efa teo hatramin'ny andron'i Zafy Albert
Kary sisa tavela Tovolah MBL
Kasdedi Mr T, Leo, Singla Bela

GEOSCAR :
Maboto, fa ny dossier tsy havela maloto
Ny flic mijery volon-koditra dia aleo izahay hanopa
Zay tsy zanak'iza, mila zay le dadany, ny saina tys voazanaka
Mijery ny an'i Rafotsy aho rehefa te hitsinjo taranaka
Voa tsara fafiny bôfy ah, mila goavana ny zanako
Tsy andevoizin'ny dope ah, na dia bobaka no zakako
Mi-battre dia mivoatra ah, mila raitra be dabako
Fa mivavaka amin'ny God ah, mba tsy ho isan'ireo mijabaka
Na malama ny lalana fahalalahana no namana
Tsy ho voavidin'ny drala io no lova ho'izy Mama
Ny adalana vômay ampianay
Satria ny lalàna toa mitady hampilefa aleo mitady hapiness

MASHMANJAKA :
Ampagnatognitogniny habadoagna
Ampalaviriny fahalalahagna fagnabeazagna fototra agny ilay fagnambakagna manomboka
Tsy ampahafantarigna lalagna vahoaka miandrandra fahafahagna
Sekolim-panjakagna baranahagna fagnabeazagna ho antoky ny fahombiazagna
Ramose daba karamaina ambim-bava orinasa afaka haba
Magnome toky gne ho avigny zaza
Ramose daba karamaina ambim-bava orinasa afaka haba
Magnome toky gne ho avigny zaza
Fagnabeazagna, ho antoky ny fahombiazagna

RNDR :
Ny ety anie efa tsy hay intsony izay marina
Tsy haiko izay côtier merina
Izay efa naha-lost taloha izay tonga eo toa mamerina
Mampanantena jiaby izay tonga eo mamorona
Tsy anaty volabe fa anaty balahoasy ny heriny

FAB'S BROWNZ :
Remote Control antanan'i Raprezy
Jerin'ny gasy arafesina
Mi-charbonne kara slave
Rariny kô lasa savage
Tsy mitavandra sanjila
K'aia variana miesona
Man, fa Jah io tsy hi-Bless izkô tsy arahanao ketrika

RNDR :
Efa zongo ny mampiasa any amin'azy ny mapess
Efa tafa akia "ma puce"
Raha tsy be anie ireo mampiesona
Fahantrana ny mampiosona
Zatra jaly zaho raha sedra iray sy roa tsy atao mampihozona

FAB'S BROWNZ :
Seza maimbo vody io no hiadivandreo
Manakodraba anao kapoakandreo
Tany fisômainao amanizandreo
Izay tsy mi-calcul mankaleo
Miantsona ambony télépherique délestage indray fa avelao eo

JIMDAH :
Amah raha ity fa tady tsy anjary
Tsy mifififify koa fa tena mibaribary
Fanabeazana tsy hita anaty sary
Fanabadoana eto ndro manadary
Zandry eh, "life goes on" fa mila misy etude
Tsika tsy mandroso anaty bado attitude
Sao ambaranao olo adala moa izahay
Izahay vahoaka malagasy mila anjaranay
Sao miakatrakatra eo ny toe-draharaha
Tena efa miakatrakatra izy hoa leretsy eh !
Fanimpany anao izy koa anao voa getty
Jimdah, big jimdah

SEPTIC :
Aleoko mangina
Tsy le... Ny hafatra ampita no safidiana
Tsy hampadihy sady tsy hitolona fa asa aloha eh!
Raha ry tandapa aho tsy miasa loha, ho an'ny lalàna eh!
Eny izay matahotra no mivovoa
Saika hangataka coucou, misolo tena an'ireo mihanika aho
Haiko ka... Ny ho aviko miankina amiko
Raha ny hanakiana ny hafa tsy hamatikambo mihitsy
Na misy ataon'ny sasany tsy mety ary mifantoka amin'ny tanjoko
Tsy ho kobo eny amin'ny 13 Mai, amin'ilay miasa mangina
Tsy hitaky ny rariny ry Mec fa amin'nilay haka izay tiana
Yeah ! Ny vava no akombona, ny maso tsy akipy
Ny fahafahana avy amin'ny fahalalana tsy adinoko
Tohatra tsisy farany, na midina lessy na miakatra
Ny ahy koa ny lalako iny, ny saina ihany no sakana
Abracadabra, ho lasa lesona ny lesoka
Olona afaka, tsy mifehy ny lalàna sy ny vavaka

BOLO :
Zanak'olona mibika, mibôsy any Amerika
Ny an-dry aty mivika miady fako amin'ny alika
Kay le ! Soavalin'ny politika
Manompo fa lany fika, tsipazo taolam-pifika
Hihira aho ny hakanton'ilay Gasikaranay
Izay itsahan-dry fako, izay oroan-dry Tay
Tsy mahay afa-tsy ny omeo arizato, omeo arizato
Hidio daholo ny sekoly, soloy fonja mirary vato
Vao mahay eo anie ianareo dia mandroso ilay firenena eh !
Ekena sa tsy ekena ? Aleo bado mora terena
Be samboady manan-karena, miaramila babo
Tsy tombotsoany ny hitsinjo ny sainao tsy ho bado
Bitch

RATSILAHY :
Ahoana ihany ilay fampandrosoana lovain-jafy
Maninona raha mba any amin'izay mahasoa ny vola no afafy
Ataovy laharam-pahamehana ny fampianarana
Amin'izay tsy voasakany habadoana ilay fivoarana
Tsy hitako hatreto ny fiovana noentiny ilay manda roa
Fa vao may miha sahiran-tsaina aho miaina amin'ilay karama manga roa
Delestazy, zara fa mirehitra ilay takamoa
Ny rano tapaka, ny faktiora nefa tsy maintsy aloha
Ny taranako tiako handova Madagasikara soa
Tiako handova Gasikara feno gasy efa nifoha
Feno Gasy, sahy mijoro satria manan-jo
Tsy manaiky vidiana amin'ny seau sy koveta, na jiron'akoho
Mampahonena ny eny amin'ny faritra iva
Mandeha ny asan-tselika, rehefa hariva ny enti-mody dimy arivo
Ny mpanao politika tsy te ahalala an'iza an'iza
Rehefa may ny tanana, lasa izy mifindra any afinda

PRINTSY :
SOS maika vola rahafalalana
Averina, SOS maika vola rahafalalana
Hitady ny very anaty akon'ny Valhalla
Malagasy manan-jo miaina ankalalahana
Yeah ! Teboka iombonana faha roa
Ry tanindrazanay iaraha-malala
Tsy anaiky ho bado, tsy anaiky ho bado
Asio latsa-bato f'ity latsa-paka
Anafa-patotra ilay Dago
Tsy anaiky ho "V", vahiny atavezina
Aleo ny hafa ve, dia siora fa very
Ary tsy ho afa-bela
Iza no apondra, ny fiaina-manonja
Itondra ny marina iraviravy, mahafola-tana-manondro?
Ity tsy sangy intsony, fa grave be ilay cas
Alatsako eto ny ahy ny couplet RPBLK
Yeah Leka ! Ny habadoana no fahavalo
Alatsako eto ny ahy ny couplet RPBLK
Aza avela ho verivery bado ny ankizy


Yeah ! Aza avela ho verivery bado ny ankizy

2024 Zaza Rap Taiza
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Cypher
Visites : 953
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Anaf Andriam
Date : 07/05/2025 12:57
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
plus...
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0784