Repoblika (Cypher)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Kolotsaina mainty
Repoblika anjakan'ny herisetra
Fahantrana, hanoanana, baranahana, ory hava-manana
Tondronay molotra ilay rima avy eny an-dalana
Roa aotra roa telo
Reo ilay izy ireo, yeah

MBL :
Akory leroa ! Mamay fa mody mitapy kay ry lerony
Cagoule incognito ohatran'i Freeze Corleone
Ka mila mihetsika sa vitsika ary ilay hoanina
Mihavitsy kely aty ny asa, ilay vatsy koa mihalany
Andao izay tsy ara-drariny ho avadika lavenona
Ohatran'ny fankahalana lali-paka sarotra levonina
Lanja miakatra ampiana foana ny level
Atao miangola vaitra ohatran'ny kozin'ny tarika Levelo
Taraiky anaty akata ny vokatra local
Tsena fanadiovam-bola misokatra au calme
Kilongan'ny faritra tsy voky taitaikanina
Ireo mpitady buzz be taimbava aty koa tia tia kianina
Ohatran'ny tsy tiako ihany raha lasa anisany aho
Mety hoe ity ny Cypher farany ahitan'ny lisany ahy
Ny asa soratra mamoaka ilay cote maha-bandy an'ahy
Miova version isanandro ny life ampidiriko ny bandana

A.L.P :
Texte ialahy tsisy raisina ankoatran'ny Gang Fuck Bitch
Izaho no hitondra ny rap syga ohatran'ny anaty cockpit
New school fa ny vazo henoina mbola Mobb Deep
Kopy ndrie, sa tsy kopy ohatran'ny mpanao politika
Aty ny rima feno sary tsy dia mila ataotao clip
Sady mitrandraka ny marina aho no mamaky Apocryphes
Theorie du complot izy rehetra complice
Mody adala Tom Cruise anaty temps de crise yah
Mpitrandraka rima fa tsy mpitrandraka harena
Afaka asiana vibe Boombap mandra-paraina
Ho'izy lerony hoe izahay tsy nibosy fa manankarena
Aty ialahy mahavita Master lasa mpanera
Tsisy ankohatran'ny anaty Chyphaka no manambatra hery
Mandinika ny fireneko aho indraindray lasan'ny afera
Gang, Ramalagasy avelao lasa karemy
Dia Gasikara ho an'izy efa-dahy irery
Repoblika fahadimy mbola eo ambany mason'i Gallieni
Tambazany vola ialahy dia faly ery ?
Mianara mafy lesy zandry mba ho reharehan'ny family f'aza fenoina X ny galerie
Raha manan-kevitra ohatran'i Ratsimandrava ialahy dia maty ery
Ambohijatovo na anaty Helico
Dia izaho te hanoratra lava be fa faible ny batterie (gang)
S/O 6kRIO

SABOODAK :
Hatramin'izao ny politika mbola baranahagna
Ny fanjakana no nahatonga ny tany toa tsy tan-dalana
Politika baranahagna, ny toe-tsaignanao voavidy vola
Ny hiram-pireneko nataonao dola
Fotsy mena maitso nosorany rora
Kay hoy zaho, kay loza
Taranaka amam-parany mibaby trosa
Kay hoy zaho, akoa heky ny fitapitaka tsy derany aih
Ny vahoaka kere lava tsy mahazo na ny ankerany aih
Tsindry hazo lena koa tsy feragna aih, ny tanora tsy an'asa
Kay Malagasy mila mijoro mifoha demokraty

GEOSCAR :
Iza intsony ary no hantsoina rehefa tojo voina ?
Izay nantenaina hanavotra rehetra rehetra pondrodory
Fuck ny tondrozotra hiteny izahay satria tsy tongobolo
Be dia be aty ny apondra mitondra mokondoha
Matetika ny lionamangina nefa taitra raha dangirina
Azafady aminao ingahy Ndriana fa hiteny izahay na dia ho gadraina
Hoe mampiomehy ny toe-draharaha, miseho tsy azo alamina
Anaty tambazotra ny jiaby samy te ho Che Guevara na Nelson
Raha tena taitra ianareo nifoha tamin'ny mbola naneno sahona
S/O Ratsimandrava mbola be no tsy mazava
Ny habadoana aty manjaka dia
Ny safidy aty tambazana amin'ny kovetra hanasana lamba
Nefa tsy hakana lagy fa tsy izahay no hamelona ny zanak'ialahy

LYRIKAL JILL :
Vahoaka sempotra tsy omena ventoline
Pepeta alefa amidy vente en ligne
Afera maloto a la une, repoblika halan'olona io raha halalinina
Dimy taona izy voky afera, sakafon'ny tetibolan'ny LFR
Te ho laibany izy, mandeha ny bizina amin'ny Libanaise
BDR legalise, maka rivotra any Libanona
Milibaliba izy mamba noana
Firenentsika ary ho aiza, misidina ny Airways
Prezy anaty mocassin, sipa kely amin'ny FB mamoaka sein
Bandy tsy tia mamaky boky, aleony manapoaka Mac Book
Jeneraly mandray baiko, maka seza senateur
Minisitra ary saina tery
Easy mihaino Jadakiss, sipa omen'ny Dada kiss

BALZ & KHYM'S OGAMI :
Ilay firenena tsy hatsapan'ialahy hoe reny
Mpiahy fa reny kely mpamehy
Toe-tsaina tsy mivoatra ohatran'ny palais des sports
Ireto tanora en plein essor mitady piston
Drogue no decor somary insiste-ko
Dia pio aloha ny tele hoy i Wada izahay leo ny news miainga eto
Zandry, tsy anaty TN izany ny tena gang eto
Fa anaty palitao black, kalitao ny track
Rehefa double G no mi-rap style I Kotofetsy sy Maka
Dia maka place fa ampirevenay Cypher ialahy
Click na MC kalitao tsy maintsy handeha coeur ialahy
Gueule ma, tany an-tsekoly be ny zavatra tsy ilaina
Tsy nanampy ahy hanambola ny enti-milaza sy lazaina
Rehefa tsy asain'ialahy manao tara izahay vao be ny embouteillage
Matoa mivoaka soir soir izahay, satria amboa te hiaza
Rima maro loko fa tsy nandeha lokorace
Izahay mahatsiaro voky foana na dia mofo iray ary
Fahantrana lesy iray harona
Peace tadiavina ohatran'ny soldat Ryan, izaho sy ny gadra iray ihany
Republique antsika machiavelique
Raha be loha eo zaho vo-nique,bro maty aho vao libre


MASHMANJAKA :
Mila mitraka fa tsy mitroatra, mila miatriky sady mandroso
Tany misy rotsakoragna fa k'aza mandigny toloragna
Asio antony ilay fahadiovagna, ireo handimby aleo mba harovagna
Olombelo letsy tsy fagnondragna sa mangalatra no mbola manondrana
Mampisara-bazana otagny ny fadign'ny razana
Miseho agnazy mazagna nefa izy io lava vangy
Taragnaka olo mpavandy, Zagnahary mitazagna
Aleo mba hasiagna fitiavagna ilay tany navelagn'ny razagna
Firenena manankaregna io koa hangataka fagnampiagna
Sady tompony no mangataka atiny, matetiky varimbariagna
Tantarany izy tsy liagna nefa gnanolo ataogny fanamihagna
Ilay mifogno fagnnilikiagna, misy sata na fagnambaniagna
Re-re-repoblika, matetika be fikafika
Antsoiko hoe Rabekinasa, ilay zoky tsy mahavita asa
Wera wera be tetikasa, mana-fitiavagna mandrasarasa
Mody mivavaka nefa tsy miasa
Vo-vo-voky vola maloto izy eih

EKLYPS :
La Frantsa efa kobonay aloha tsy hamaha prise
Fanja tsy hanampy mihitsy fa mampirisika
Matoriza namadika izy, mode voay fa mody gisa
Matokisa, ilay fiainana eto malok'ila ao anaty kizo
An-tapitrisa ny gasy tsy sahy mikipy vao maty jiro
Labozia, tsisy ny arotsaka nigga ao an-dakozia
Lafo vidy, vola no manelanelana ny avo sy iva
Mibaby zioga, rehefa any an-dafy izay vao sahy misioka
Voambana basy ny eto vao mitady hamoaka ny archive
Efa an-dohalika ny ranom-bary
Voalohany amin'ny fahantrana efa misalotra ny amboara
Sarotsarotra ny hangina fa ny zava-drehetra misy farany
Horonantsarin'Ambohitsaina miparitaka any amin'ny misy sarany
Kolotsaina mainty fa tsy hetsika fotsy
Mailo aho sao miafara any Imeritsiatosika
Amin'ny fotoana mety tsy hampoiziko
Ketrika atomboko, raisiko ny penina
Aleoko mi-rap mandra-piandry ilay fampianarana eny Ankatso miverina

YRIST :
Miaritra mafy ady ialahy na miaraka amin'ny mafia
Iray sakosy hadona amin'ny 24 Carats
Ny kaly hoanina lafo noho ny karama
Tee-shirt iray no vidin'ny fanahin'ny sanana
Dago feno harena fa ny mpokona hampahantraina
Izay mitokona dia ratraina, izy tsy menatra handatsak'aina
Tsy tafa mihitsy raha tsy piston dia mic mac
Nefa ry lerony vao fiston, tic tac
Iray segondra dia efa voavaha ny olany
Fa tsy asiany sira hono raha ny manapoaka sy ny sipa voaholana
Mitady fahefana dia mampanantena volana
Fa raha maina nt tany dia any aminy anny manorana
Repoblika mpamitaka sady tia tia kely
Vao miteny ny marina ialahy dia liquide-na
Gue-dro rehetra mitobaka erakin'ny faritra
Simbain'ny lerony ilay Gasikara nahafinaritra

BOLO :
Miasa f'aza variana misaotra an'Andriamanitra
Raha hamindra tendrombohitra tsisy ohatran'ny Andralanitra
Rehefa hitanisa tenin'i Tompo ianao maranitra
Fa rehefa hihinana sy hisotro ianao mahantra
Tsy hain'ireo ilay mitondra, fa tsy hainao koa ilay hoentina
Manaiky atao apondra ianao, manafak'olan'entana
Ianao mibabibaby galere izy mitrotrotrotro salaire
Dia mi-nique nique ta mere eo izy de toute toute maniere
Te hitifitra mpitondra aho fa ilay vahoaka matory
Hamokona totohondry aho fa tsy haharesy basy akory
Mitaraina noana nefa toa tsy mahay mamboly
Aza manao mpitondra vendrana rehefa tsy handia sekoly
Fiainana, tsy ankinina amin'ireo mpitondra intsony
Satria tsy hamafa ny loto amin'ny tokotaninao ry lerony
Misy ny fahantrana fa ianao no manaiky ho resiny
Ianao no tompon'ny fahefana fa aza manaiky poretiny

Cyphaka 2023
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Cypher
Vangy : 151
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Anaf Andriam
Daty : 27/02/2024 01:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2002