Tsy hangina (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hey sarotra ve ny mifady io toaka mahafaty io
Hey jereo ange fa mamo ianao dia mila vaniny indray
Ny levilevinao aoka fa aza atao
Ny tananao izay miainga apetraho
Aoka izay fa efa ela nijaliana aho

Tsy handefitra manan-drariny intsony aho
Tsy afaka hanaiky ny adalanao aho
Na tambazana harena aza aho tsy hangina.

Mba lanjao ihany ny atao rahavako
Mba matahora ny atahorako
Ny nenina anie mavesatra tsy ho zaka ka asa
Sao mantsy ianao ka manao kitoatoa
Manao izay tianao fa tsy mivaky loha
Midanadana ho anao ny figadrana faingana.


Hey sarotra ve raha adihevitra no atao ramose
Hey aiza re no dia daroka aloha no mandeha
Ny levilevinao aoka fa aza atao
Ny tananao izay miainga apetraho
Aoka izay fa efa ela nijaliana aho

Tsy handefitra manan-drariny intsony aho
Tsy afaka hanaiky ny adalanao aho
Na tambazana harena aza aho tsy hangina.

Mba lanjao ihany ny atao rahavako
Mba matahora ny atahorako
Ny nenina anie mavesatra tsy ho zaka ka asa
Sao mantsy ianao ka manao kitoatoa
Manao izay tianao fa tsy mivaky loha
Midanadana ho anao ny figadrana faingana.

Mba lanjao ihany ny atao rahavako
Mba matahora ny atahorako
Ny nenina anie mavesatra tsy ho zaka ka asa
Sao mantsy ianao ka manao kitoatoa
Manao izay tianao fa tsy mivaky loha
Midanadana ho anao ny figadrana faingana.

Ny nenina anie mavesatra tsy ho zaka ka asa
Midanadana ho anao ny figadrana faingana.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Bodo
Visites : 152
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : hery
Date : 09/03/2024 11:20
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128