Ny fitiavako anao (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fitiavako anao

(L)Nahoana moa isika roa no dia voatery hiteny hoe tiako ianao
Nefa mifankafantatra ao ampo
Nahoana koa no rehefa tonga ny fotoana toy izao vô
Holazaiko ny fitiavako anao
(V)Tsy ho voalazako anteny foana raha ny fitiavako anao
Tsy ho ampy izao fankalazana izao
Manomboka izao raha sitrakao izaho ho anao mandrakizay
Ny momba antsika ankinina @dray
(L)Satriko ho ren’izao tontolo izao raha ny fitiavako anao
Saingy efa ampy ahy hoahy irery ny bitsiky ny masoanao mijery
Ref : Nahoana moa isika roa no de voatery hiteny hoe tiako ianao
Nefa mifankafantatra ao ampo
Saingy androany hafa ihany tiako ho ren’izao rehetra izao
Ny mari-pitiavako anao
(V)Nahoana moa no dia voatery hifanolotra ny peratra
Fa efa ela no nivady tao ampo
Saingy androany hafa ihany tiako ho ren’izao tontolo izao
Ny mari-pîtiavako anao
Satriko ho ren’izao tontolo izao raha ny fitiavako anao
Saingy efa ampy ahy ho ahy irery ny bitsiky ny masonao mijery

Ref : (…)
Saingy androanay hafa ihany tiako ho ren’izao rehetra izao
Ny mari-pitiavako anao


                     Bodo sy Felaniary        
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Bodo
Visites : 20389
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : nrson
Date : 09/03/2010 18:16
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8574