Ataoko akory (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mandiniha fa toetra ratsy
Aleo milaza fa hoe izaho tsy ho avy
Toy izay mampanantena
Izaho anefa aty mihenahena
Fa raha toa ianao malaina
Avelao aho fa aza adalaina e!
Tsy efako raha ianao tia ahy
Ianao indray no toa mila kisa

Ataoko akory iha raha tsy ahefa
Ny ahy lahy fitia diso fiantefa
Nihevitra aho fa hiaraka amin’ny sarotra e! (Tsy ahefa)
Hay moa ny fitiavanao mifototra e!

Ny fotoana tamin’ny dimy
Raha tsy tonga ianao tsy omena tsiny
Fa raha hitako any an-kafa
Izany kosa angamba hafahafa
Fa raha toa ianao malaina
Avelao aho fa aza adailana
Tsy efako raha ianao tia ahy
Ianao indray no toa mila kisa

Ataoko akory ia raha tsy ahefa
Ny ahy lahy fitia diso fiantefa
Nihevitra aho fa hiaraka amin’ny sarotra e!
Hay moa ny fitiavanao mifototra e!

Aut/Comp: Bodo/Lila
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Bodo
Visites : 12085
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Amazone
Date : 17/02/2007 12:04
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141