Sombim-pitiavana (Bitsikah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/Sombim-pitiavana
Atolotrao ahy
Fa izaho manahy
Ka tsy ho sahy

Ianao tsy tokam-po
Fa efa manandroa
Mamboly fitia
Etsy sy ery

Misy ireo potika
Sy rotidrotika
Fa toa fitia mandoro
Mampihorohoro

Refrain :
Ka aleo aho hitazana
Toy ny mpinamana
Avelao aho hankafy
Lavitra aty

2/ Ny afom-pitiavana
Narehitrao tao
Vonoy sy fafao
Fa tsy ho ahy ianao

Ny angola sy ny teny
Novetsoinao ireny
Nitady lokanga
Hameno ny  banga

Misy ireo potika
Sy rotidrotika
Fa toa fitia mandoro
Mampihorohoro

Refrain x2 :
Ka aleo aho hitazana
Toy ny mpinamana
Avelao aho hankafy
Lavitra aty
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Bitsikah
Visites : 32
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Bitsikah
Date : 08/01/2025 23:34
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
plus...
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0162