Ditsoka ny foko (Bitsikah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/Injay  ny orana  nilatsaka
Vao dify ilay malala
Henoko nisento
Ka lasa vetsovetso

Nidiko ny varavarana
Ny foko manarangarana
Miezaka ho tony
Tsy hitodika intsony

Refrain :
Nifarana tsy satry
Manaikitra any anaty
Feno ratra sy toloko
Fa ditsoka ny foko

2/Ritra ve ny fitia
Sa miantso hoe avia
Manangatra toa avelo
Manetsika alahelo

Miverina ny tsiahy
Ny lasa mandindona ahy
Tsiaro sisa ambara
Ho rakitrin’ny  tantara

Refrain
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Bitsikah
Visites : 33
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Bitsikah
Date : 11/04/2026 18:34
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0343