Io varavarana io (bekoto mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Io varavarana io vohaiko moramora
Rehefa lasa eo aho, rehefa tonga ny ora
Maraina be  mbola tsy maneno akoho in-droa
Voatery hisaraka angamba itsika roa

Angano arirarira no namiravira
Reo lasa hirahira
Anganon'olon-droa mba ho aiza moa
Ireo fo nisara-droa

Io varavarana io tsy hakarapoka
Hitsaitsaika aho ao anaty hirika
Ambanin'ny ampangabe no asiako ny lakile
Matoria tsara ianao isika angamba hifandao

Angano arirarira no namiravira
Reo lasa hirahira
Anganon'olon-droa mba ho aiza moa
Ireo fo nisara-droa

Izay ny fiara fa tonga mandrapihaona re
Hibitsibitsika aho sao ianao mandre
Avelako ao ny ondana ny lambako
Ny rivotra androany mety hangatsiaka koa
Eny an-dalana eny aho vao hisotro kafe
Matoria tsara ianao izaho  maika handeha
Hianavaratra irery aho hijery ireny Ankaratra
Tsy mety afa-javona sy oram-baratra

Io varavarana io hidiako amin'izay
Mbola ho ela isika vao hihaona indray
Io varavarana io hidako moramora
Lasa amin'izay aho lasa koa ny ora
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : bekoto mahaleo
Visites : 15
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Samson Patrick
Date : 02/01/2026 22:53
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0883