Fo adala (azael gxth)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ilay fikanao tsy ratsy fa ny ahy koa mba milay,
...
Verse 1:
Ny ahy anie fo nanolotra fa tsy ilay fiheveranao,
Tsy fitia an-tendromolotra ilay nomeko anao,
Tsy masoandro an-tendrombohitra ka ho vonona ny handao,
Ka aleo izaho iala ilany jdgyncou raha izay no sitrakao,
...
Manindrona maharary nefa izaho tsy hiantso tody,
Tsy manantena koa aho hoe ianao mbola hitampody,
Hiala mangingina aho fa izay no fanafody,
Ka aleo izaho any an-kafa no andeha hitady vonjy,
...
Avaloko mangina ato am-poko tsy hisy ahita,
Ilay fitiavana nomeko tsy voavidy an-tampitrisa,
Izaho tsy ahasolo an'azy efa tsara salan'isa,
Tsy ho asiako resa-be fa tantara efa vita,
...
Chorus:
Ny foko adaladala tsy nifidy izay tiavina,
(nifidy izay tiavina)x2.
Ekeko fa maharary nefa efa notadiavina,
(efa notadiavina)x2.
...
Verse tononkira.serasera.org 2:
Ny foko adaladala no nahatonga an'ahy nisisika,
Raha latsa-dranomaso aho tsy tomany io hoy aho fa ditsoka,
Soa ihany tsy noqzabx nanjary sao fantatrao ny momba an'ahy,
Dia izay tsara ato anatiko notazoniko ho an'ahy,
...
Ny zavatra efa hitako no nanamafy ny ato an-tsaina,
Raha resaka fitiavana tsy mila azavaina,
Efa fantatro mialoha nefa ny foko tsy nanaiky,
Fa hiaraka tvldag aminao hono "Izaho ary mba niaiky",
...
Ianao raha hiankavanana dia izaho mba hiankavia,
Amin'izay tsy hifankatazana sao hamoha ilay fitia,
Fiatia efa tsy anjary ka aleo samy barakay,
Ilay fikanao tsy ratsy fa ny an'ahy koa mba milay,
...
Chorus:
Ny foko adaladala tsy nifidy izay tiavina,
(nifidy izay tiavina)x2,
Ekeko fa maharary nefa efa notadiavina,
(efa notadiavina)x2,
...
A/C:agx

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : azael gxth
Visites : 29
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : AzaelGXth
Date : 14/08/2026 15:20
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.03