I Neny (Aron Mahandry)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I Neny ilay masoandro iray loharano nipoirako
Izy lay nitantana ahy na sarotra ny diako
Tsy mamela ahy irery ianao ,fa manampy ahy hatrany
Teo foana ianao,tsy mba nandao na tsiky na tomany


Ka aminizao anio izao,asandratro ny lohako
Hidera ilay Jehovah Ray ,t@ nanolorany anao ho ahy
Ka mangataka fitahiana aho,ho anao ry neny ô
Lay Tompo be fitia anie hamaly soa anao

Neny,inty ny zanakao e,misaotra mankasitraka a,
t@ soa nataonao
ooooo Neny lehibe lay fitiavanao ,tokana tsy manampaharoa

NEny ilay nanitsy ahy raha sendra diso lalana aho
Tsy namela ahy hitanondrika raha sendra kivy sy nitalaho
Ka nanoro ahy fOna e,aminizay rehetra atao hoe
“ankino @Andriamanitra,ny zavatra rehatra kasainao”

Ka@izao anio ,ambarako eto anatrehanao
Matokisa ianao,fa izaho anaraka hatrany reo anatrao
Fa na inona mihatra e,dia izaho mitondra ambavaka anao
Ka ilay Andriamanitra anome ny fahasoavany ho anao
Ref:...................................

Aron Mahandry
13mai2018
--------
Lien:
Commentaires
mahandritiana ( 05/07/2018 17:32)
Nosorotana ho an'ireo Neny Rehetra tamin'ny fetin'ny Reny 2018
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Aron Mahandry
Visites : 1527
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : mahandritiana
Date : 05/07/2018 17:58
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744