Hafatry ny Tompo (APC Tangaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
L: Hafatrahafatra mila tsaroana à
Hanatranatra tsy azo adinoina à
Zay manenjika hanaovy asa soa e
Zay no sitrak'ilay Ray tsitoha
Mifalia amin'reo zay mifaly
Tomanio koa reo ory mijaly
Ny avonavonao io re mba fero
Ny an'ny hafa diniho sy hevero
{Fa ny tenanao io ahatreeo e,
fa tsy misy zay Hendry ianareo} 2×

V: Ny mamaly ny ratsy aza atao
Fa manaova ny tsara ianao
Andriamanitra hanome sazy
Avelao f'aza mikasika azy
Homeo hanina ny fahavalo
Ny hetahetany koa atsaharo
Ny hanaovana izany ho tsaroany
Ka hanangona afo eo andohany
{Aza mety ho resin'ny ratsy e
fa manaova ny soa mba ho vatsy} 2×



Refrain: L+V (2×)

"Ekena tokoa e"
Ekena tokoa fa ho sarotr'izany
Satria ny hambom-po no tsy maintsy tsindriana
Kanefa dia lalana tokana ihany
No tonga amin'lay paradisa iriana
"Fa izao no tsarovy"
Tsarovy fa sarotra anie ny miaina
Ny vavahady tery no mila fidiana
Zay kely hanana indray no zaraina
Ny Tompo aza niaritra ny fijaliana


A&C: Razozy
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : APC Tangaina
Visites : 1159
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Sissie2007
Date : 06/05/2017 14:19
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0867