RAY BE FITIAVANA (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misaotra Anao izahay ry Ray
Tsy mba nahafoy anay
Fa ny tanam-pitiavanao
Rainay o mitsinjo hatrany hatrany

Na dia misy aza ny fitsapana
Tsy nataonao ahakivy anay
Fa ny lalana hizoranay ry Ray o
Lalana efa namboarinao

Fa izay fihevitray
Tsy fihevitrao ry Tompo
Fa fiadanana ihany no hitondranao anay
Dera laza no atolotro
Ho Anao ry Rainay be fitiavana

Indro atolotray ho Anao ry Ray
Saotra dera mandrakizay
Fa Ianao no mitantana
Miaro sy mamaly ny fivavakay

Ka ny hany fanirianay
Dia hanara-dia Anao
Tsy mba misy toa Anao ry Ray o
Mihaino sy mamaly ny fivavakay

Fa izay fihevitray
Tsy fihevitrao ry Tompo
Fa fiadanana ihany no hitondranao anay
Dera laza no atolotro
Ho Anao ry Rainay be fitiavana
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Visites : 819
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : zeea
Date : 02/08/2018 07:50
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0746