NY TANANAO (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny tananao nitsotra mba hitantana ahy Jesoa
Nidify aho,
Fa toa tsy sahy ny hiaraka Aminao
Kanefa Ianao nanaraka ahy
Tsy niala fa nibitsika ahy
Nananatra ahy mba hiova fo
Hamoy ny taloha

Sambatra aho manana Anao
Hatramin’izay ka hatramin’izao
Satria tia sy niahy ahy Ianao
Ry tsy mba mandao

Aoka ny tananao re ry Ray
Hikasika ahy mandrakizay
F’indro aho manolon-tena ho Anao
Ho olom-baovao

Lalao RANDRIANARISON
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Visites : 1204
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Zeea
Date : 31/07/2017 11:57
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2509