MANANA ANTOKA (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manana antoka Ray
Manana anao
Tsisy ahiako raha izao fiainana izao
Safiotran-drivotra, oram-be mitraotrao
Tsy hatahotra aho ambany elatrao

Ianao mihitsy mantsy no niteny
Ary koa nampanantena ahy ireny
Fa raha ny zanako, ny asan'ny tanako
Dia aoka ho adidiko

N'inona ady atao
Ety an-tany dia izao
Efa matoky fa mandresy aho
Satria Ianao Ilay Ray
Tsy mba mandao hatrizay
Efa nialoha hiady ho anay

Ianao mihitsy mantsy no niteny
Ary koa nampanantena ahy ireny
Fa raha ny zanako, ny asan'ny tanako
Dia aoka ho adidiko

Fa raha ny zanako, ny asan'ny tanako
Dia aoka ho adidiko

Lalao RANDRIANARISON
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Visites : 819
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Zeea
Date : 23/07/2018 09:27
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0787