ANDRIAMANITRA O TAHIO (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andriamanitra o tahio
Izahay mpanomponao
Ka mba arovy sy ampio
Hanara-dia Anao

Izahay izao dia ho vonona ho miaramila anao
Ry Tompo o, mino izahay
Fa Ianao no aronay

Ka mba ampio ( ireto mpanomponao)
Sy henoy (ny vavaka ataonay)
Ka ny hosana, fiderana no atolotray ho Anao

Andriamanitra o vimbino
Ny fiangonanao
Fa fifaliana lehibe
No atolotray ho Anao

Ny fanahinay sy ny fonay
Samy ravoravo koa
Ry Tompo o, matoky izahay
Fa Ianao no aronay

Ka mba ampio ( ireto mpanomponao)
Sy henoy (ny vavaka ataonay)
Ka ny hosana, fiderana no atolotray ho Anao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Visites : 1201
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Zeea
Date : 30/07/2018 07:42
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2708