FENO HAFANANA (Anjaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
FENO HAFANANA

Raha ny endrika sy bika
Dia tsy misy kianina
Notoloranao tsiky aho , dia saika fanina
Na andro ratsy mangatsika aza
Rehefa andalovanao
Dia lasa mibalika sy feno hafana

Rehiko ao anatiko aho , midobodoboka mangina
Toa mistery ho ahy, mampitaintaina
Toa hery miafina , miantso ahy anantona kanefa,
Rehefa eo nefa aho , tsy itako izay lazaina

Mikorontana , ny ao anaty fa tsy ay, tsy ay
Toa tsy fantatra , toy ny ankamantatra
Izay ao am-ponao

Raha ny endrika sy bika
Dia tsy misy kianina
Notoloranao tsiky aho , dia saika fanina
Na andro ratsy mangatsika aza
Rehefa andalovanao
Dia lasa mibalika sy feno hafana...
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Anjaka
Visites : 700
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : nasrakotoasimbola
Date : 30/05/2020 00:54
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2628