MILA ANAO (Angol'Aina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manirery aho, tsy anilanao intsony
Mankarary ahy.
Tantara sisa ilay fiarahantsika mamy
Nitondra fifaliana ho ahy.

Aiza no hahitako anao indray?
Tsikinao dia efa ampy ho ahy.

Fitiavako anao, henoy aho,
mbola tsy miova hatrizao.
Tsy ho voafafako
ny tomboka napetrakao.
Miverena fa ny aty mbola tia.
Mila anao aho, miandry anao.
Oh, oh...

Manirery aho, tsy anilanao intsony
Mankarary ahy.
Tantara sisa ilay fiarahantsika mamy
Nitondra fifaliana ho ahy.

Aiza no hahitako anao indray?
Tsikinao dia efa ampy ho ahy.

Fitiavako anao, henoy aho,
mbola tsy miova hatrizao.
Tsy ho voafafako
ny tomboka napetrakao.
Miverena fa ny aty mbola tia.
Mila anao aho, miandry anao.
Oh, oh..

Fitiavako anao, henoy aho,
mbola tsy miova hatrizao.
Tsy ho voafafako
ny tomboka napetrakao.
Miverena fa ny aty mbola tia.
Mila anao aho, miandry anao.
Oh, oh...

Aiza no hahitako anao indray?
Tsikinao dia efa ampy ho ahy.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Angol'Aina
Visites : 957
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Raiki-pitia
Date : 15/06/2020 18:59
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1954