Neny (Angol'Aina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
‘Zay rehetra miseho amin’ny fiainako
Tsy haritro ambarako anao avokoa
Ry neny, tia ahy ianao.

Neny, ihantana, itosiana ianao
Neny, mizara hafaliana
Neny ny fitiavanao
Tsy hadino mandrakizay

Refrain :
‘Zay rehetra miseho amin’ny fiainako
Tsy haritro ambarako anao avokoa
Na tsara na ratsy na mahavaky fo
Tsy afeniko lazaiko anao
Ianao no mifidy izay mahasoa
Manoro ny làlana izorako
Ry neny tia ahy ianao.

Neny isaorako ny Ray noho ianao
Neny mivavaka ho anao
Neny ‘zay rehetra vitanao
Tsy hadino mandrakizay

Refrain :
‘Zay rehetra miseho amin’ny fiainako
Tsy haritro ambarako anao avokoa
Na tsara na ratsy na mahavaky fo
Tsy afeniko lazaiko anao
Ianao no mifidy izay mahasoa
Manoro ny làlana izorako
Ry neny tia ahy ianao.
Ianao no mifidy izay mahasoa
Manoro ny làlana izorako
Ry neny tia ahy ianao.
Tia ahy ianao, tia ahy ianao…


Tonony sy feony : Roger Rabemananjara
--------
Rohy:
Hevitra
heryfitiavana ( 05/05/2018 12:50)
Tsara loatra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Angol'Aina
Vangy : 1020
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 04/05/2018 19:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2424