Tsy ho ahy intsony (Ando Best)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izaho no adala ninia tsy nahalala ilay fitiavanao
Ninia tsy nijery ireto masonao, nipitrapitra
Izaho no adala nia tsy nandray ny tananao te hitantana ahy
Ninia tsy namaly ireto taratasy, mba niangavy

Ankehitriny neniko ireo vita, fihetsiko rehetra taminao
Te hanarina aho kanefa indrisy, manadino sisa no azo atao

Fiv : Tsy ho ahy, tsy ho ahy intsony ianao
Hijanona ho tantara sisa, izay vita hatrizay
Tsy aiko, ny tsy hahatsiaro anao
Ireo fotoana mamy izay teo anilanao.

Niezak'izy nanome fitia izay azony natao
Nanambitamby teny foana, nanarak'ahy
Niezak'izy nanome fitia ho ahy, tena fitia
Saingy tsy nahita valiny, sanatria

Ankehitriny neniko ireo vita, fihetsiko rehetra taminao
Te hanarina aho kanefa indrisy, manadino sisa no azo atao

Fiv : Tsy ho ahy, tsy ho ahy intsony ianao
Hijanona ho tantara sisa, izay vita hatrizay
Tsy aiko, ny tsy hahatsiaro anao
Ireo fotoana mamy izay teo anilanao.

Na dia lavitra aza , ka tsy ho hita intsony
Hitoetra anatiko ao izay avy taminao
F'indray andro any, raha sendra hiaona indray,
Tsoriko , hifonako , hifonako aminao

Guitar Solo :

Fiv : Tsy ho ahy, tsy ho ahy intsony ianao (tsy ho ahy ianao)
Hijanona ho tantara sisa, izay vita hatrizay (yeah yeah)
Tsy aiko, ny tsy hahatsiaro anao (tsy hahatsiaro anao)
Ireo fotoana mamy izay teo anilanao.
(Ôôh ôôh ôôôôh)
Tsy ho ahy, tsy ho ahy intsony ianao
Hijanona ho tantara sisa, izay vita hatrizay
Tsy aiko, ny tsy hahatsiaro anao
Ireo fotoana mamy izay teo anilanao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ando Best
Visites : 17
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Hary001
Date : 02/05/2026 19:17
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0258