Raha ny fahalalako Anao (AMPIFITIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Raha ny fahalalako Anao ry Jesosy ô!
Dia be fitiavana, be fandeferana
Tsy tia ady, tsy mavandy, tsy manavaka Ianao
Tsy mitovy aminay mpianatrao

Raha ny fiainanay mantsy ry Jesosy ô!
Tsy misy miafina eo Aminao
Fa lian'ady, mifandrafy, mifanao izaho ity
Feno fihatsarambelatsihy

2. Ra ny fahalalako Anao ry Mpamonjy ô!
Fahavalonao aza tiavinao
Tsy tianao ny valifaty, valinao soa ny ratsy
Hafa noho izay fanaonay mpianatrao

Ra ny aminay indray Jesoa fantatrao
Vitsy ny soa fa ratsy no maro
Fitokoana, fandotoana, famonoana fanahy
Izany indrisy no talentanay

Fiv: Amboary re Jesoa, amboarinao
Ovay ny toetray ho toy ny Anao
Diovy ny fonay ho vaovao
Ka dia fitiavana tena Anao
No hiainanay hatrizao
Tefeo re Jesoa ho mendrika
Anay ny mitondra ny Anaranao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AMPIFITIA
Visites : 4093
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Anjara03
Date : 11/01/2017 10:55
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0757