Zaho tsy hiala (Amboaram-peo fanambarana (Chorale A.FA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa nofidianao ho zanakao malalanao eh
Toy ny voro-mahery tsy miady irery fa manana Anao

Tafiditra an-dapa nahazo laka hidera Anao eh
Sanatria raha hiala anaty vala zahay zanakao

Ref:
Zah tsy hiala eh
Tsy hiala eh
Tsy hiala Aminao
Zah tsy hiala eh
Tsy hiala eh
F'efa nofidianao

Falifaly ny fo ravo tokoa nomenao talenta
Hirahira sy dia no hasandratray ho Anao ry Ray

Hisaorako Anao izay rehetra nataonao ahy
Tsy hivadika intsony f'efa babonao, efa resinao

Ianao ry Ray aminay Roi
Tokana iray Jehovah
Nahary anay nofo sy rà
Mandrakizay tsy hiala Aminao zah

Mba tahio tsy hivarina
Anaty antsana lalina
Tsy tonga hiantsos ny marina
F'izay mino no tafarina

Alaviro ny fakam-panahy
Isan'andro aman'alina
Mitady hangeja amam-panahy
Tsy mampilamina

Fiainana mitsapatsapa
Enta mavesatra tsy zaka
Mandatsa, mandratra
Fisianao no mampitraka

Ref:
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Amboaram-peo fanambarana (Chorale A.FA)
Visites : 71
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : ChoraleAFA
Date : 08/08/2024 04:38
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1265