Vokatry ny ady (Ahibano)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vokatry ny ady nifanaovana
No namoizanay ny havanay
Vokatry ny baomba miraondraona
No nanimba ny fanananay

Fa raha ny sitraky ny Ray anie
Ny hamelona antsika mandrakizay
Ny maty anefa lasa avelo
Mitombo isa indray
Ndrao ananan-tsiny amin'ny  Ray
Koa atsaharo izany
Isika velona va re
Hifamono ? Aoka izay

Raha ny matin'ny aretiny aza
Tsy fidiny akory
Isika velona no tomady, salama
Mitady ny hoe fongory

Fa raha ny sitraky ny Ray anie
Ny hamelona antsika mandrakizay
Ny maty anefa lasa avelo
Mitombo isa indray
Ndrao ananan-tsiny amin'ny  Ray
Koa atsaharo izany
Isika velona va re
Hifamono ? Aoka izay

?Fifankatiavana kajio re
Mba tsy ho solafaka
Ireo madinika ampianaro koa
Mba tsy hifanavakavaka

Fa raha ny sitraky ny Ray anie
Ny hamelona antsika mandrakizay
Ny maty anefa lasa avelo
Mitombo isa indray
Ndrao ananan-tsiny amin'ny  Ray
Koa atsaharo izany
Isika velona va re
Hifamono ? aoka izay
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ahibano
Visites : 2203
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 21/07/2018 10:37
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111