Ampidiro aloha ny tenimiafina
Tia anao aho
Ré Tiako rehefa izaho no mahatonga anao mitsiky Si Dia tiako rehefa izaho no itanao rehefa mikipy Sol Ny fiainana na mbola sarotra aza La Ianao mahafantatra ny rehetra momba ahy, anilanao aho tsy misaron-tava Ré Mafy loha fa te ho tsotra aminao aho Si Tia sakafo, te hiara-bota aminao Sol Amin'ny roa maraina mba te hiaraka hitsotsotra aminao aho La Ny canapé malalaka fa te hiampofo anao aho Ianao mahalala hoe malalako Dia tsy hoe bracelet fotsiny fa sombim-pitiavanao no ety an-tanako Olon-tiako sady namako, sady anjeliko no anjarako Tantaraiko amin'ny akamako sy ny mamako Dia saro-piaro aho fa tsy hamehifehy mihitsy Ohatry ny vao omaly ilay oroka voaloha, tamin'izany mbola be be nify Taona maro izay no nolalovana "Fitiavana" no anaran'ny tokontany ilalaovana Ref: Tia anao aho izay tsarovy, tsy hoe hiserana fa aina no fetra Tia anao aho dia tsy hanova ireo izay voady nifanomezana, Malalanao aho na dia tsy isan'andro aza ny fety Tia anao aho izay tsarovy, Ampahafantaro ny tontolo hoe manan-tompo ianao na dia tsy misy peratra aza Tia anao aho dia tsy hiova Dia rehefa maro ny onjam-piainana mamely Tsy misy kabary, aza adino: IANAO MAHERY !!! Dia ny olana tsy zakanao avia atero ety an-tratrako Vao may aho tia anao satria tsy an-tery Noho ianao aho te ho mendrika, na very (aza) indraindray Raha sitrakao ireo sangisangintsika fahiny ho averina indray Tsy hiseoseo fa mba hifaly mangina Tsy misy mahamaika satria koa hono izay mahandry ihany no vadin'andriana Fahazavana ianao, mangirana Hiaraka na mamy na mangidy, indraindray koa misy makirana Fa, manjaka am-poko dia tiako ihany Silam-panahy no iantsoako anao dia sanatria ny hiantso anao hoe piso aho (*NB: Pour comprendre cette phrase, écoutez "Epistolier - Dia hoy izy hoe") Kely no omeko, ny fo manolotra no mameno Izaho raha mbola misy fofon'aina, ianao tsy hiady irery izany Aingam-panahy dia namoronako ny hirahirako Mifoha aho dia mahatsiaro anao dia miramirana Ref: Tia anao aho izay tsarovy, tsy hoe hiserana fa aina no fetra Tia anao aho dia tsy hanova ireo izay voady nifanomezana, Malalanao aho na dia tsy isan'andro aza ny fety Tia anao aho izay tsarovy, Ampahafantaro ny tontolo hoe manan-tompo ianao na dia tsy misy peratra aza Tia anao aho dia tsy hiova
