Ampidiro aloha ny tenimiafina
AMBARAMBARAO
Ambarambarao amin'ny dada Ambarambarao amin'ny neny ny hafalianao Lazaolazao an'i kaky ,Lazaolazao an'i neny ny alahelonao Tsy zaka irery, ny fiainana Ianao anie, zanaka tiana Ambarambarao amin'ny dada Ambarambarao amin'ny neny Fa tia ianao Lazaolazao an'i kaky,Lazaolazao an'i neny ny alahelony ao Fa izy anie, nandao anao. Nandratra ka,saro-sitranina Avia re sombinaiko, an-tratrako F'omeko anao ny hery rehetra ananako Tambitamby avy @dada Tambitamby avy @neny no iononanao Fitiavana tsy arahan-datsa Fitiavana tsy arahin-teny No nitokianao. Ka nanome,fiononana Aza tomany,fa tsy irery ianao. Avia re sombinaiko, an-tratrako F'omeko anao ny hery rehetra ananako Tsy zaka irery, ny fiainana Ianao anie, zanaka tiana
