Ampidiro aloha ny tenimiafina
Mikentrona avokoa
sol Mim lam Miketrona avokoa re7 re/fa# sol Ny hoditrao manontolo sol7 sol do Ela niarahan-droa re re/f# sol Tafaray fotsy volo Ireo masonao mainty manga Nihafotsy ho azy teo Ny nifinao maro banga Mahatonga anao hiova feo. Izaho kosa savolaina Vokoka sy trotraka Efa miharitra aina Efa mihatrotraka Efa manao poa Efa miverin-tsaina Mangozohozo loha Efa manaintaina sol re/fa# Isika no ela netezana mim sol Fa ny fontsika tanora aok'izany do sim mim Ianao no taolan-tehezana do re sol Andefimandry hatrany. Mikisaka raha mamindra Mihilangilana Mikaviavia mirindra Bila sy vilana Nefa mbola mitosy Mbola miangoty koa Rangahibe sy rafotsy Mbola mifankatoa Ny ankizy nokoloina Tsy misy tsinjo intsony Tsy hita ho antsoina Efa voafehy ireo fony Teto isika roa Tojo ny farany Asa izay handeha aloha Miandry ny anjarany Fa raha ianao no lasana Matesa faingana aho Tsy hitia ela ny fasana F'izaho tsy mahafoy anao Ny faniriako hatrizay Ny hiara antitra aminao Fa ny avo no nampiray Zao ve vao hifandao Tsy tantiko ny ho irery Raha banga ny toeranao Tsy misy mpankahery Koa avia re alao Ho tapany aho fa tsy ho iray Aza ilaozanao toy izao Hiara lavenona hiara kitay Hiara maty aminao
