Ampidiro aloha ny tenimiafina
EO FOANA
Impiry moa no nolazaina ianao Mba hiteny aloha vao manao ny atao Avy eo mitanondri-dava Toy ireny resy lava Tsy sahy mitaraina Hita rera-tsaina Tsy teo ve aho Ka nahatsiaro irery ianao Sa aleonao irery Amin’izay tsy miery Saingy tsy fantatrao Izay fotoana izay Tsy mba ho azonao Averina indray (2) Nila ahy ianao hatramin’izay Dia teo aho Raha mila ahy ianao anio Dia ho eo aho Tsy irery ianao fa teo foana aho Ary ho eo aho Raha irery ianao Dia irery aho Aza omena tsiny Raha sahirana indraindray Fa fitadiavana io Ary ho anao sy ho ahy Aza sorena akory F’efa ato am-poko ianao Na andeha hatory Na hifoha aho (2) Nila ahy ianao hatramin’izay Dia teo aho Raha mila ahy ianao anio Dia ho eo aho Tsy irery ianao fa teo foana aho Ary ho eo aho Raha irery ianao Dia irery aho Impiry moa no nolazaina ianao Mba hiteny aloha vao manao ny atao Avy eo mitanondri-dava Toy ireny resy lava Kivikivy foana Nefa aho teo foana Ary ho eo foana Nila ahy ianao hatramin’izay Dia teo aho Raha mila ahy ianao anio Dia ho eo aho Tsy irery ianao fa teo foana aho Ary ho eo aho Dia ho eo foana aho Auteur – compositeur : Beranto
