ZEZEX

Hampiditra sary Nampiditra yeye
19/11/2004 11:08
Hiran'i ZEZEX 2 Jereo eto
Vangy : 4538
Mpankafy : 0 Ankafizo
ZEZEX dia anaran'ny tarika avy any EJEDA faritanin'i TOLIARY izay tarihin'i Zozex. I Zezex dia anisan'ny mpanankanto manana ny maha izy azy raha eo amin'ny sehatra fanaovana Kabaret, noho ilay feo manga sy miavaka izay ananany. Ny album izay efa navoakany dia efa misy eo amin'ny 3 eo ho eo. Ny album izay navoakany voalohany dia album izay niarahany tamin'ny Groupe Los Bellia avy ao Ejeda. Ny album faharoa dia navoaka miaraka amin'ny groupe precieuse music ary ny fahatelo dia ilay groupe mitondra ny anarany ihany antsoina hoe ZEZEX. Ireo karazana anarana groupe 3 ireo dia mbola i Zezex ihany no leader vocal na lohan'ny tarika tao, fa saingy ny mpitendry mozika sy ny mpandihy no niova. Ny hira izay fanta-daza sy be mpankafy tamin'ny hiran'i ZEZEX dia ilay hira miadakadana mitondra ny lohanteny hoe: " ANKOSOBOLAMENA". I ZEZEX dia efa nahazo fankasitrahana tao Toliary Tamin'ny taona 2001 ary izy no nahazo ny lohan-daharana tamin'ny fihetsiketsehana antsoina hoe" MEILLEUR VOCAL DE L'ECLIPSE". Amin'izao fotoana izao i Zezex dia efa monina ao MOrondava ary mbola manohy ny asa maha mpanan-kanto azy.

Hevitra momba an'i ZEZEX

yeye (19/11/2004 16:08)

Hiran'i ZEZEX (2)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0691